LASIN’NY JASY (ILIMIM JIVISDI)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsara ve ny Lasy ?
Baraingo iray mipetraka
Afa-po aloha ny JASY e!
Raha fintinina ny resaka

Tsy azo atao ny miadiady
“Raha hibanjina ny ho avy”
Nefa tao ‘reo tojo VADY
Tojo izay sahazany avy

Ny Hafaliana, tahak’inona?
Kibo koa nitafotafo
Tao no vokin’ny “DATING”
Tao no voky ara-tsakafo

‘Ndeha asiana teny kely
Mba haliana ireo mpandalina
DIANTANA ‘lay Hotely
Tao no raikitra ny BAL

Ampy vatsy ny fanahy
Toy izany koa ny saina
Fa ny tsinjaka ZUMBA
JASY, 'reo tsy miala maina

Dia ho faranako eto Ilay
:"tsy hoe izaho no lany pasy"
F' amin'ny herin-taona indray
Hifampitaona ho' aho ny JASY!

22-25 Sept 2015
Lasin'ny JAS [Tsatoka Ivandry sy Manakambahiny]
ILIMIM JIVISDI
--------
Rohy:
871 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI
Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 01/10/2015 06:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142