'LAY POETA TOA ANAO - ILIMIM JIVISDI
Ry Poeta
inty aho, mba iraho!
Mba hitsidika ny vohitr'ireo habakabakao
Eny an-danitry ny nofin'ny Tontolo vaovao
R'hefa eny an-tanifoanam-pahasambarana efa lao
Amin'ny alin'ny raho-mangan'ny masoandro mitatao
Ry Poeta
inty aho, dieny izao!
Mba trotroy an-dranom-bavakin'ny hiran-tononkalo
Raiso ho toy ny zanakao anaty fon'ireo Mpikalo
Ho zary teboka amam-paingon'iny tsoraka aloalo
Ao anaty 'lay baraingon'ireo sambany nandalo
Ry Poeta
inty aho, entonao!
Ho ao anatin'iny diarin'iny diampeninao
D'izay momb'ahy manontolo, hatramin'izaho mbola tsy tao
Eny, mandra-paharitran'ilay rano mainty atao
F'izaho koa mba te ho tonga ' LAY POETA TOA ANAO !!!
30 SEPT 2015
ILIMIM JIVISDI
Hevitra mandeha
ernest15 (04/01/2016 14:37:19)
ILIMIMJIVISDI (06/01/2016 09:13:42)
Poeta Namana Ernest.. Mankasitraka!!!!
Iarindria (13/02/2016 12:39:22)
"f'izaho koa mba te ho tonga 'LAY POETA TOA ANAO!!!"
.
poeta hoe izaho
"POETA TOA ANAO"
an an namoaka santimà
no mba nandramako natao
fa tsy mba naminany
toa antom-pisianao
fa mba naniry ihany
ny ho "POETA TOA ANAO"
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 01/10/2015
Mpamangy : 1101
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY