'LAY TAO ANATY NOFY (ILIMIM JIVISDI)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza ahemotrao intsony, ny figadon' ny hafaliako
Aza ahemotrao akory, na ny ora tena tiako
Tao anaty : " nofiko iny ".
Eny ho' aho ankehitriny,
Raha indro hamadibadika, ny pejy hatramin' ny farany
Dia aza homena tsiny,
Raha indro hipopopopo, eo iloan' ny varavarany
Ity foko virijiny !!!
Dia aza hitsoahinao.
Fandrao!.
Fandrao tsy zakanao,
Ny latsa-dranomaso, mikorisa ny takolany ...
Ho marim-pitiavany;
Ny lanjan' iny kiriny, tanatin' ny akorany ...
Tsy mety voaravany;
Dia aza atosikao.
Raha indro mba mitory, ny : " ventsoventso-pony "
Raha indro mba mifidy, izay mba tiany sy tsy foiny
Dia tsy iza fa ianao!.
Koa raha sitrakao!.
Dia aza ahemotrao.
Aza ataonao kilalao
'Lay mba hany faniriako
Tao anaty nofiko iny !!!


ILIMIM JIVISDI
--------
Rohy:
Sokajy : Nofinofy anao
1426 2
Mpakafy: Ga123U - ooffon39
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI
Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 24/01/2016 21:07
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149