MIHARITRA (ILIMIM JIVISDI)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vitan’ny hoe tsy hiteny intsony aho
Dia efa ela no nanadino anao
Raha vitan’ny hoe samy efa leo
Dia efa tena ela no efa vita hatreo
N’efa ilay toky nifanaovana fahiny
Dia samy mba miharitra tsy misy omena tsiny
Na ahy ny fahotana, eny na anao
Dia hiaretana daholo, zakaina tsotr’izao
Ka aoka re ianao, amakafaka tsara
Fa raha isika izao, tsy hisy ho lany zara
Ny toky no jereo, ny voady tadidio
Fa raha izaho indray ny foko dia madio

ILIMIM JIVISDI
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
617 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104