Mivimbina raozy iray - ILIMIM JIVISDI
Ny heriko rehetra no efa nangoniko
Entiko hanoratako ity soratra ho anao.
Efa mihareraka ny foko sy ny saiko
Ary indro fa marofy ny tenako amin’izao.
Mba miangavy anao aho
Tongàva mba hamangy ny tenako aty,
Ary dia faingàna, malaky kely mihitsy
Hitondra tsikitsiky.
Raha ho avy àry ianao
Dia mamantàna amin’ilay toerana falehako,
Ilay toerako fikaloko ny ao anatiko ao,
Ilay toerana mamiko nahitako anao.
Raha tsy hitanao ao ny tenako marofy,
Dia jereo indray
Aty an-tranonay,
Dia aza mandondòna,
Vahao ny varavarana dia ho hitanao.
Raha sanatria tsy ao
Izaho miandry anao
Dia fantàro haingana
Fa izaho marary
Dia efa nampidirina anaty hôpitaly.
Faingàna hitondrao
Tsiky avy aminao.
Raha sanatria indrisy
Tara loatra ianao hamangy ny haretiko
Dia mihonòna fo
Fa efa tsy anjara ny hihaonantsika roa.
Fasam-bato iray
No indro hofinidy
Anafenako ny aretiko
Mangidy tsy voateliko.
Gina ny fanahiko, moana teo ny foko,
Ny vatako amin’ izany
Indrisy fa ho vovoka miraraka amin’ny tany
Saingy mbola miandry ny dodododonao
Mbola hamangy ihany.
Mivimbina raozy iray
Ataovy tsara loko ka ento mba ho ahy,
Dia hitomanio ny fasako mihidy
Tsy nampandroso anao.
Ataovy tsara toerana
Ambonin’ ilay fasana ny raozikelinao
Ahatsiarovanao ny endriko mitsiky izay nandao.
Ka izaho amin’ izany
Dia eny ambony eny hibanjina ny tany.
Dia indro teny farany hanàko am-ponao ao:
“Misaotra re namangy dia mankasitraka aho”.
Veloma ianao ry Tiako.
Ilimim Jivisdi
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 01/06/2018
Mpamangy : 860
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY