NY TANÀNAKO - ILIMIM JIVISDI
Ny tanàna tsy foiko ialàna
Dia vohitra mahatamana
Tsy dia kely tsy lehibe koa
Tanàna tsy manam-paharoa
Any andrefan’ Iarivo any
Ilay tanàna tsy be mpanontany
Tsy mitokana fa mifangaro
Tanàna tsy fantan’ny maro
Tanàna tsy dia be lamaody
Nefa kosa maharaka kaody
Voaraka rova iray
Tanànako rahatrizay
Dia mitohy izao ny fanatsarana
Hiadiana amin’ ilay fahantràna
Ahitàna kolo-tsaina maro
Ny tanànako fantam-pataro
Tsy ho voatanisako izaho samirery
Fa tongàva raha toa ka hijery
Ity ny adiresy raha sendra mandalo
“Vohitra iray mpanao tononkalo”.
ILIMIM JIVISDI
Sokajy :
Tontolo iainana
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 03/03/2016
Mpamangy : 1470
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY