Olon-tiako Vaovao (RAIKITRA !) - ILIMIM JIVISDI
RAIKITRA !
Raikitra indray manomboka izao
Fa dia ianao no olon-tiako vaovao
Hifanaraka isika hifampiraharaha
Raha sendra ny mafy da hifampitaha
Tsy asiako kabary fa teny malefaka
Izany mihintsy ilay tena resaka
Raikitra anio fa isika iray
Hifankatia rahatr’izay, rahatr’izay
Raikitra izany fa hifarana hatreo
Ireo adi-tsaina izay mankaleo
Fa eo mbola misy ilay antenaina
Ilay olom-boafidy tsy foiko zaraina
Andeha àry isika, hiara hijoro
Atambatra iray ilay fo samy toro
Ianao manontolo dia lasa ho ahy
Raikitra izany fa aza manahy !
Ilimim Jivisdi
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 07/06/2018
Mpamangy : 1173
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY