VATOLAMPIN’NY FAHAMARINAKO - ILIMIM JIVISDI
Azo vakiana?
Fa ny Elatry ny Ray Mpandrindra,
No Indramiko eny ampanidinako
Eny an-tendrombohitra avo indrindran’ Ilay VATOLAMPIN’NY FAHAMARINAKO
Ny handao anao anie tsy ho sahiko
Ny Ilofika amin’ny fahotana koa
Mifohaza tao ianao, ry fanahiko
‘Ndrao hahatora-kovitra tokoa
Iriako loatra Tompo izato lalako
Sy izay sahaza 'lay kapoakako ao
Omenao ahy va re ny Fiadanako ?
Aoka anefa :"atao ny sitrakao" !
Andriamanitro ianao no andriko
Antanifoam-bakivakim-pahoriana
Fitokiako ianao no sady sandriko
Ny teninao no fitaovam-piadiana
Ary amin’ireto izaho no mba hanoratra
Ny zavan’ny fanahy, tsikaritro
Anatranatra sy soratsoratra…
An’ilay VATOLAMPY, tsy voafaritro !
Fa ny Elatry ny Ray Mpandrindra
No Indramiko eny ampanidinako
Eny an-tendrombohitra avo indrindran’ Ilay VATOLAMPIN’NY FAHAMARINAKO
2Nefia 4:16-35
23H:30mn
ILIMIM JIVISDI
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 29/09/2015
Mpamangy : 785
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY