VETSOVETSO TAKARIVAN' OLON-TIANA - ILIMIM JIVISDI
Raha nisidina nanakatra ny lanitra ny vorona
Dia anjaran'ito saiko indray izao no lasa amborona
Satria ny antokon' androko rehefa lany atao
Dia aza omena tsiny raha hiantefa any aminao
....Rehefa mby ka dila koa ny tara-masoandro
Dia ontàny iray ny foko toy ny fofona nahandro
Satria ny hanitrao izay nitoetra fa tsy niala
Tsy hamelan'izato peniko tsy hivetso anao malala!
Ary anio no hihaonantsika tsy mivantana tsy akory
Hiara hitafa anaty nofy rehefa rendriky ny tory
Aza diso tara loatra fa ho antsika ny tontolo
Ao anatin'ny habakabaka sy lanitra fahafolo
Dia aza omena tsiny raha rendrika ao isika
Eo am-pototry ny volana amam-kinta-mibaliaka
Fa raha ny sitrapoko sy ny anao no 'ndeha hametra
Dia efa ela izaho sy ianao no tany mihitsy no nitoetra
Saingy noho ilay izy nofy....tsy azontsika hiangaliana
Dia hijanona ho VETSO TAKARIVAN' OLON-TIANA !....
ILIMIM JIVISDI
Hevitra mandeha
Iarindria (13/02/2016 12:06:40)
Ankafiziky daholo ny asa-soratrao. tena tiako.
ILIMIMJIVISDI (14/02/2016 19:31:38)
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 13/01/2016
Mpamangy : 2858
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY