Eny, ianao ihany - Iony
Azo vakiana?
Eny, ianao ihany
Na ho jaly na ho tomany
Dia anilanao hatrany
Ka na mangidy na mafaitra
Na sehon-javatra manaitra
Eny, ianao ihany
Na ho finaritra na ho rofy
Antenaiko tsy ho nofy
Ireo fotoana niarahana
Tao anaty fahasambarana
Hitsiky hatrany na tsy tanty
Eny, ianao ihany no ato anaty!
Halaviriko ny hakiviana
Hisikinako ny fifaliana
Fa ‘lay Ray ao ambony
No nandrafitra ny foko
Nanafoana ny toloko
Apetrako Aminy izao
F’ianao ihany no tiako.
Izay mankarary ka tsy tiako
Izy Tompo tsy mandao
Mahay manaisotra izao
Fahoriana lava izao
Amim-pifaliana hatrany
No hanavaozako ‘lay voady
Tsy hiala akaikinao
Fa Jesoa Tompo no hiady
Ka ho tanteraka ‘lay MARIAZY!
Aminao, eny ianao ihany!
Iony, 27/10/2011, 16h07
Mombamomba
Mpanoratra : Iony
Nampiditra : ionyDaty : 28/10/2011
Mpamangy : 2192
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TIAKO NY FOFONAOFitia maramara
Aza atao toy ny ahy...!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/iony/-7
Tia tsotr\'izao
tsy fety fotsiny ihany ny NOELY
Hotsaroanay foana!
Mahereza!
Manina..!
Anjarany angamba!