Hotsaroanay foana! (Iony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hotsaroanay foana!

Tantaram-piainana saro-bonoina
Vongam-pitiavana tsy azo soloina

Ireny soa ireny tsy avelanay ho lò
Fa reharehanay 'lay Neny faharoa

'Reo anatra nataony,bedibedy kely
Nanampy anay izany ho tonga ho modely

Ny andro rehetra niarahana hatrizay
Fotoana nandalo nefa tsy hohadinonay

Maro ihany koa ny fety sy korana
Nanamafy ny fifankatiavana tsy azo ravana

Koa na ho fifaliana na ho fahoriana
Ny lasa rehetra tsy avela hikoriana

Na hivadika im-piry aza ny taona
Ianao ry Nenitoa hotsaroanay foana!

Teo koa i Dadatoa izay tsy nahafoy
Ny fahatsiarovanay azy koa mbola hitohy!!!

Iony R.
(04/12/2005)
--------
Rohy:
1803 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119