You are here: home > Vetso

Amboaran-tononkaloko - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

1-hanoratsoratra eto
   Hiventsoventso eto
   Hirediredy eto
   Hikalokalo eto
2-milalao soratra aty
   Mpitediredy an-tsoratra
   Mpamadibadika abidy
    Mpilazalaza fitia
3-mpisentosento irery
   Toa adala fisainana
   Tsy mahatsiaro vizana ery
    Mahalany izato penina
4-ny fitiavako manoratra
    Ny Amboaran-tononkaloko
    Fitiavako milaza
    Ny fitia izay efa ananako
5-ny asa soratro rehetra
    Tsy voatery misy mpitia
    Kanefa soratako hatrany
    Tsy an-kafa io fa ahy

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha