fidio izay ho vady - a.j.ulrich-vts
Azo vakiana?
_ ny hita rehetra tsy mendrika fo vady
fa fomban'ny hendry no manadihady
ny saina mitovy ny fo tafaray
no mety hifanaraka mandrakizay
_satria tsy fantatra izay ho rafozana
k'aleo re ny hafa no ifanakalozana
arahabao ny mpandalo f'aza hiomezana
fa sao amin'ireny no ho taolan-tehezana
_ka mba fidifidio izay mety ho vady
tsy mandany fotoana ny manadihady
mba fakafakao ilay toetrany izay
mba tsy ho nenina ho anao mandrakizay
_ aza maika hanambady raha mbola tsy vonona
fa diniho tsara mba tsy hampionona
ny fanambadiana ho vita foana
fa mandrakizay ny nenina aoriana
Sokajy :
Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : a.j.ulrich-vts

Nampiditra : jemmy
Daty : 06/07/2017
Mpamangy : 906
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VelomaMahereza
Fitia va izaho ?
Tena fitia
Ilay hatezerako
Mila miova
Fitia voarara
Ny Fahasambarana
Ilay soratra
Ny faharetako