You are here: home > Vetso

Fitia voarara - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

_na dia tiako aza ianao
Tsy ho anjarako
Na dia tia ahy ary ianao
Tsy ho ahy mihintsy
_fitia voarara ny antsika roa
Dieny vao manomboka
Tsy azo ataontsika ny miaraka
Eny fa na dia namako aza
_marina tokoa
Fa efa ela isika
No ninamana
Kanefa tsy ho mpifankatia
_fitiavan-jaza ny antsika hatrizay
Tsy tokony hitohy intsony
Aoka hijanona hatreto izany
Satria isika mpihavana ihany
_aoka isika hifanalavitra
Mba tsy hanaonao foana
Mba tsy hisian'ny sampona
Amin'ireo taranaka
_Namako foana ianao
Eny fa na havako aza
Satria izay no maha-isika antsika roa
Ka ekeo fa izay no lahatra

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha