You are here: home > Vetso

Ilay hatezerako - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

_sao dia heverinao
Fa raha mangina aho
Dia nolatsainao toy ireny
Lazainao fa sipakely
_izaho tsy azonao sangina
Izaho tsy azonao latsaina
Satria noho ianao ihany
No nahatonga ilay hatezerako iny
_miala tsiny aho raha hilaza
Miala fondro aho raha hivolana
Fa ny tsiny nomenao ahy
No indro averiko aminao indray
_iny hatezerako iny
Rariny tokoa raha nataoko
Satria tokoa aho
Efa ela niaretana ihany
_ Faran-teniko tsy azo hovaina
Tsy fanaoko ny mamaly ny ratsy
Aoka ny lasa omban'ny lasa
Fa amin'ny ho avy aza averina intsony

Hametraka hevitra

Midira aloha