You are here: home > Vetso

Ilay hatsaranao - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

1_vao nahita anao aho
Vao nahatazana anao aho
Dia mieritreritra anao
Sy mandinika anao aho
2_ny endrikao mantsy
Tena mahasondriaka ery
Ny fiteninao mantsy
Tena milantolanto ery
3_fotsy fihodirana
Mahitsy fiteny
Tsy mba tia miresaka
Fa mangina toy irery
4_ilay hatsaranao
Tsy mety miala ato am-poko
Mitahiry ilay fitiavako
Ka hany mijanona ato am-poko
5_ilay hatsaranao
Ilay toetranao
Ilay fitiavanao
No miraikitra ato am-poko

Hametraka hevitra

Midira aloha