You are here: home > Vetso

Manimanina - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

Manimanina aho izany
Manimanin-te hitsidika
Amin'ity tany malagasy
Izay mahatehotia tokoa
Satria tokoa
Ity tanintsika ity
Mitahiry fahatsiarovana
Izay tsy maty ato am-poko
Manimanin'antsiranana
Fototry gasikara
Manimanin'ny mahajanga
Izay tena mafana
Manimanin-toamasina
Izay efa saika masina
Manimanin'iarivo
Be lamaody nefa marivo
Manimanin'ny fianarantsoa
Izay ianarana ny soa
Manimanin-toliara
Tsy mba misy ala
O,ry tany malagasy
Izay tany masina tokoa
Mahamanina ahy ianao
Ry madagasikara soa

Hametraka hevitra

Midira aloha