Mila miova - a.j.ulrich-vts
Azo vakiana?
_betsaka ireo adalana
Izay efa nataoko hatrizay
Betsaka ireo fosa
Izay efa noteneniko hatrizay
_fa inona tokoa ary oty mahazo ahy
No dia mifosa anao toy ireny
Lazaiko marina aminao
Fa tsy mbola nanao toy ireny aho
_lasa nofosaiko ianao, lasa tsy tiako
Eny fa na ianao aza hitako nalahelo ihany
Dia latsalatsa foana ve no nataoko taminao
Ka hany herinao farany ny tsy hiresaka amiko
_marina ny anao, izaho aza niaiky
Nefa mba tiako hofantatrao
Tsy hadisoanao ireny rehetra ireny
Fa noho ny hasarotam-piaro izay tato anatiko
_koa mifona e, mifona re
Mba avelao ny heloko e
Ireny lasa ireny ange
Toy ny rano raraka e
_raha mba azoko atao ihany mantsy
Ny miverina amin'ny lasa
Tsy ireny no mitranga
Fa saingy tsy tanteraka intsony izany
_ny lasa omban'ny lasa
Ka tsy afaka averina intsony
Kanefa kosa amin'ny ho avy
No hanarenako ny tsy mety taloha
_nitana ny alahelonao aho
Hatramin'izay ka hatramin'izao
Fandrao fandrika mamingana ahy
Dia ilay tsiny tsy mety ho afaka
_mila miova tokoa aho
Mba tsy hiverina intsony ny fahiny
Fa arenin'ny ho aviko
ireny lasa tsy mety fahiny
_ toky lehibe izao no homeko
Nataoko amboaran-tononkaloko
Izay tsy mety maty ato am-poko
Fa maharitra mandram-pahafatiko
Mombamomba
Mpanoratra : a.j.ulrich-vts

Nampiditra : Jemmy
Daty : 12/09/2016
Mpamangy : 1300
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VelomaMahereza
Fitia va izaho ?
Tena fitia
Ilay hatezerako
Fitia voarara
Ny Fahasambarana
Ilay soratra
Ny faharetako
Tena tia