You are here: home > Vetso

Ny faharetako - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

_efa ela ihany aho
No te hamboraka ny ato am-poko
Kanefa misy zavatra mahagaga
Dia ilay faharetako hatrizay
_efa ho herintaona izay
No niaretako izany
Kanefa vao niresaka isika
Dia voateniko ihany ilay izy
_vao noteneniko ilay izy
Dia nahare valiny mahafa-po aho
Kanefa taty aoriana
Hay fitaka ihany
_dia naharary ery ny foko
Tsy hitako izay asiko ny tenako
Kanefa mino ihany aho
Fa tsy maintsy mbola hihaona
_marina koa fa mbola tsy niaraka
Kanefa mbola tsy tonga ilay fotoana
Niandrasako hatry ny ela
Hiarahantsika roa
_io fotoana io
Dia efa nandrasako hatry ny ela
Mba afahako milaza aminao
Fa tena tia anao
_marina ihany koa
Fa raha tsy miaraka tsy midika fitiavana
Kanefa ny fitia
Tsy azo terena
_anao aho ka mora
Fa raha an'olona aho sarotra
Zavarin'ny fitia manan-tombo ka
In-telo no miarahaba
_tsy izao aho vao te hiaraka
Na hirediredy fitia
Fa hoy indrindra ny ohabolana
"mody tsy tia koa lefaka"
_efa niezaka ny tsy ho tia anao aho
Ary efa nanandrana ihany
Nefa tena sarotra amiko
Ka izao no teniko farany
_efa tsisy azo atao
Izaho efa tia anao
Tsy azoko averina indray ho
tsy tia anao aho

Hametraka hevitra

Midira aloha