You are here: home > Vetso

Ny Fahasambarana - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

Raha sendran'izay tampoka
Nitranga teo amon'ny fiainako
Dia mbola teo ianao
Nanampy ahy foana
Nanamaivana ahy foana
Eny fa na tamin'ny sarotra aza
Dia teo anilako ianao
Nampiova ny fijeriko
Teto amin'ity tany ity
Tsy azoko sarahina
Tsy azoko ialana
Eto amin'ny fiainako
Ny namana
ny finanamana dia
Toy ny volamena
Izay tazomina ho harena
Toy ny vorona an'habakabaka
Ka tsy misy hahasakana azy
Na oram-baratra aza
Toy Ny vorona eny habakabaka
Ka tsy misy hahasakan azy
Na ny oram-baratra aza
Toy ny sambo kely mitety onja
Ka tody amin'izay rehetra atao
Ilaiko ny finanamana
Ilainao ny finanamana
Ilaontsika ny finanamana

Sokajy : Namana

Hametraka hevitra

Midira aloha