You are here: home > Vetso

Ny finoako - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

_na maro aza ny mpankahala
Na maro aza ny tsy tia
Ny finoako dia iray ihany
Tsy hiova intsony
_maro ireo manana ny heviny
Maro koa anefa mpankahala ahy
Ny finoako sy ny fivavahako
Kanefa tsy nahavita akory ireo
_maro ny te handrodana
Te hamafa mafy ny finoako
Kanefa ireo tsy mba manana hery
Ny handrodana ny efa naorin'Andriamanitra
_tsy hisy haharodana ny finoako
Na hamono ahy aza ireo
Satria efa vato velona eo ambony vatolampy
Ka tsy potik'iza na iza intsony
_izaho tsy hivadika Amin'ny finoako
Izaho tsy hiala amin'ny fivavahako
Fa na maro aza ny mpankahala
Izaho dia KATOLIAKA mandrakariva

Sokajy : Finoana , Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha