You are here: home > Vetso

Ny fitiavako 1 - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

1-toa misy zavatra hafahafa
Izay milatsaka ato am-poko
Fa toa ny rano mangatsiaka
Izay tsy tantin'ny foko
2-fony tonga ilay fotoana
Ilay fotoana fitsapana
Dia toa varina ery
Izany foko nahita azy
3-menamenatra aho taloha
Hatramin'izay niandohany
Tsy nahafantarako ilay
Fitiavana hatrizay doria
4-fa hatramin'izao kosa
Dia tsy mba ho sarotra ho ahy
Ny hilaza hoe tiako ianao
Mandrakizay doria amen
5-tsy mivazivazy aho akory
Na hiteniteny foana
Fa raha tsy mino ahy ianao
Dia mbola averiko indray hoe

Hametraka hevitra

Midira aloha