You are here: home > Vetso

Ny fitiavako 2 - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

6-tsy toy ny bisikileta nopopina
Ny fitiavako anao
Fa toy ny raozy iray
Izay tsy maty ato am-poko
7-efa nikarakara anao aho
Nandritra ny fotoana ela
Ka nahavokatra be dia be
An'ilay raozy keliko fahiny
8-izaho tsy hanery anao velively
Ny hiaraka amiko
Fa raha mitovy ny lanja
Dia raiso ny tanako
9-tiako loatra ianao
Hatramin'izay hatramin'izao
Fa raha ny fitiavako anao
Toy ilay raozy keliko fahiny
10-tsy tiako havela ho irery
Na any an-kafa koa
Ianao ry ilay malalako
Fa ho ahy samirery
11-ilay amboarako hatrizay
Ankehitriny sy mandrakizay
Dia tsy misy afa-tsy ianao
Ry ilay olon-tiako hatrizao

Hametraka hevitra

Midira aloha