You are here: home > Vetso

Ny sombinaiko - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

_Dia iny tokoa ve
Ny velomanao
Ny orokao farany
Namihina ahy fatratra
_Dia iny tokoa ve
Ilay tsikinao farany
Ry zanako malala
Ry ilay sombinaiko
_eny lasa mantsy ianao
Lasa nanao veloma
Veloma ety an-tany
Ka nampitomany ahy
_vao fito taona monja
Dia efa nandao anay
Ianao ry sombinaiko
Ry ilay tsy foiko
_malahelo mafy aho
Nahatsiaro vizana
Mahita ity zanako
Izay notaizaiko tokoa
_ilay mba ifaliako hatrizay
No indro nandao
Ilay masoandro vao miposaka
No hany maizina sahady
_eny ry sombinaiko
Eny ry tiako
Tombon-dalana ny anao
Fa izahay mbola ho any
_koa mahery ny herin-tsaiko
Satria mbola hahita anao
Any am-paradisa
Indray androany

Hametraka hevitra

Midira aloha