You are here: home > Vetso

Tena fitia - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

_ô ry tanora ankehitriny
Ry vonikazo vao misantatra
Fa maninona loatra ianareo ankehitriny
No dia milalao fitiavana
_sa hoe mbola miala sakana
Kanefa mampiasa ny fahazazana
Tsy mendrika ny ho lehibe akory
Satria fitiavana no atao kilalao miantefa
_mody milaza hoe tiako ianao
Kinanjo moa ny teny fitaka
Kanefa ny toetra milaza izany re
Dia efa any an-kafa ihany
_fa manahoana tokoa moa
Izany hoe tena tia
Mba iza moa no hamaly izany
Eto amin'ity tany ity
_tiako loatra manko ianao
Ry ilay malalako ry ilay tsy foiko
Ka tsy misy atakaloko anao
Anio rahampitso ary mandrakizay

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha