You are here: home > Vetso

Tena tia - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

_nilaza tamiko ianao
Fa tena tia tokoa
Kanefa vao roa volana izay ianao
Dia mitady porofom-pitiavana
_sahiko ny milaza aminao
Ny tena ato am-poko
Fa fitia tsy misy fitaka
Sady manam-pahatokisana
_fa raha ny hoe firaisana
Tsy hanao izany aho satria
Izaho mbola mpianatra
Hendry sy manam-paharetana
_vao roa volana monja ve?
Dia izany no ao an-tsainao
Tsy nampoiziko ho toy izany ianao malala
Ilay silaky ny fanahiko hatrizay
_fa izao no lazaiko anao
Mba manana faharetana
Fa raha ny zavatra ilainao
Rehefa mivady azonao ihany
_izaho efa babonao tanteraka
Ary mahafoy ny aiko ho anao
Tsy mba mpilalao fitiavana
Fa rehefa tiako dia tena tiako
_tiako hatramin'ny farany ianao
Ry ilay tsy foiko
Ka ireo teny rehetra ireo
No porofom-pitiavana omeko anao

Hametraka hevitra

Midira aloha