You are here: home > Vetso

Tsiambarateloko - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

_efa ela loatra izay
No nitazomako ilay raozy
Ilay raozy mahafinaritra
Tsy mba foiko hozaraina
_fa vao mitsiry ny maraina
Ilay maraina mahafinaritra
Dia tonga ilay fotoana
Hanafenako azy indray
_ilay raozy mahafinaritra
Tsy mba foiko indrisy
Mahatehotia tokoa
Tsy mba ho faty mandrakizay
_mba iza tokoa moa
Ireo olona hatokisana
Mba hitana ilay raozy
Ka hanafina azy indray
_tsy mahita aho na iray
Mba hanafenako azy
Sy hitazona ilay
Tsiambarateloko rahatrizay

Hametraka hevitra

Midira aloha