You are here: home > Vetso

Veloma - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

Handao anao aho ry tanana
Hiala amin'izay f'efa tsy anjara
Tiako sy nahatamana
Kanefa tonga ity ilay fotoana
Veloma any amin'ikaky sy Neny
Fa manina hono ny aty
Mandram-pihaona ry zoky sy zandry
Fa tena mampanembona ahy mihintsy
Alahelo tsy voatanisako
No andaozako anao
Ry ilay tanana tsy foiko
Fa mampanembona ny foko
Tsy ho adinoko akory
Ireny lasantsika ireny
Ireny fiarahantsika ireny
Nahamanina ahy irery
Veloma Mandram-pihaona e
No apetrako miantoana e
Fa mbola mety hiaona
Amin'ny herintaona

Sokajy : Fisarahana

Hametraka hevitra

Midira aloha