AVIA (janahary)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tena tia Mandainga izay milaza
Hoe ny sainy tsy miria,
Mivezivezy lava
Manjohy 'lay tiany indrindra.
Terena mba hifindra
Vinany ho any an-kafa
Fa ehe!
Tsy mety f'iny lasa
Miverina mikiry
Manao an-jiriziry
Hanaraka ny tiany
Tsy ifanomezan-tsiny!
Dia ny adiady kely
Tsy mahasakan-jery
Na mody lonilony
No io ifamangiana
Kanefa ange ny fony
Tsy sasatra mitia
Toa miantso hoe: "avia"
janahary
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/janahary/avia