eo an-dohan-drainy,mator (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eo an-dohan-drainy,
matory mivalapatra eroa anjoro firarazana
no io fa lasabe ny sainy
mibanjina ity vata-mangatsika
misalo-damba fotsy hatramin'ny fono-tongony
dia io fa safoiny,indraindray voatsongony
hialany nenina,fa sao mba mahare
na koa ka mbola velona.

etsy an-tongony etsy
tovolahy ranjanana,manjonitra aok'izany
tovolahy mirijarija,kanefa mitomany
latsa-dranomaso,sy tsy mahajery akory
fa mihohoka eo an-databatra misy ilay matory
fa folaka ny andry niankinany hatrizay
ka ketraka tanteraka izy fa nilaozan-dray

ny ato an'efitrano
loko malomaloka ravaham-bonikazo
endrikendrik'olona ory toa malazo
no hany sisa tazana sy toa manidy vazana
mitazon-dranomaso.....
fa loza .... atambo sy akaso
no manentoento an'efitry ny sento

atsy ambadika atsy
vehivavy iray, ifandrobahana,
vonjena.... kosehina ....kopahana
fa sepo-pahoriana sy tsy mahatsiaro tena
fa io nilaoza-tiana,ka tena mahonena
tsy mahazaka ny onjam-pisarahan'aina
ka tsy vitany mihitsy ny manamboatra saina

ny ao ivelany ao
tsy misy iray milamina,tsy misy mahateny
fa toa mitangorongorona,
no toa mingonongonona fa tsy miteny mafy
raha mifanontany,izay zavatra nitranga
mahatsiaro ho banga,fa nilaozan'ny akama
ilay tary tena miavaka,raha samy namana
fa liana sy mankamamy izany fihavanana

ny voahary manodidina,
ny hazo izay maniry ,na ny vorona manidina
maneho ny alahelony,sy ny hakiviana
fa ilay mpizara ny tsiambaratelony
na ilay mpamafy ny fitsikiany dia...
hatory tsy hifoha tsy misy hitafàny
fa handeha any ho any

ny penina sy ny taratasy
ilay fitaovana tao an'efitranony
jereo... tazano..fa he mangasihasy!!
fa lavo ity poeta,akama tena maminy
mpanoratra ny lasany sy ny eritreriny
no io fa nantsoin'ny fasany,
ary atsy ho atsy dia hateliny

fa kosa ny any an-koatra
toa tena hafa loatra ny zavatra mitranga
fa tazako eto f'efa manangasanga
ny vohitrin'ny avelo,injao maneloelo
fa tonga ity vahiny nandrasany efa ela
monja ny vatany tavela anivon'ny tiany

jayah razafi
11/11/2016 19:20
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - tantara
1192 2
Hevitra mandeha
Naje ( 20/01/2017 10:08)
Maha onts be le aingam-panahy anao jayah
Jayahrazafi ( 23/03/2017 06:44)
izany ve?! misaotra anao namaky eh
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096