io fitiavana io (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IO FITIAVANA IO

Na toaka firy damizana
Na sigara am-ponosana
na hoe matanjaka ry akama
Na bikana sy nofosana
dia mora hanadino ah!!
….tsia…
Io fitiavana io?!
Misy hery tsy mampino
ka tsy mety hoe ampirimo

Tsy ny fitadiavanao hafa
Hanoloana izay tsy tafa
Sy hanindrina izay nialàna
ka hitady tsaratsara
Mba hanamboniana saina
…..fa..
io fitiavana io?!
Mila haningotra ny aina
koa tandremo sombiniaina

Tsy ny fikirizanao hikipy
Raha sendra mifanitsy
Eny an-dalana eny
Ka hoe tsy hamoaka teny
D’efa ampy ho valifaty
…. tsia ah!!..
F’io fitiavana io
Io tena mampitapy
raha toa tsy zatra fantsy

Tsy mifidy ny hatsarana
Tsy mifidy hamanjana
Tsy mifidy izay harena
tsy manao fifanekena
fa manao ny fara-heriny
…eny…
Io fitiavana io
no nandona indray ny feriny
ka nampitodika ny jeriny

Jayah razafi 28/12/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
886 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096