Misy.. (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa misy tsiky vao maraina
Tsy ilaina hoe foronina
Nohon' ny teny mby an-tsaina
Na koa misy mahatonona

Misy kalo tianao hiraina
Raha iny manimanina
Ary tononkalo te ho antsaina
Rehefa ianao fanipanina

Misy endrika irinao mafy
Mba ho tazanao akaiky
Miaraka amin'ilay.fitafy
Mahafaly, mahatsikaiky

Misy teny tianao hotononina
Toa tsy afaka ao am-bava
Fa tsy maintsy hoe ngononina
Satria tsy mifanatri-tava

Jayah Razafi 22/07/16 05:35
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
943 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147