NA FOTSINY AZA HOE (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
na fotsiny aza hoe...

ny masoko mahita anao anilako
na hitsiky ianao na tsia
d'efa io fa mahataitra indray ny hirako
sy mahamirana ity foko tia

na fotsiny aza hoe.....

ny tananao malala no mikasika ahy
anatin'ny arahaba hifanaovantsika
dia efa mientan-karavoana ny fanahy
mandoro ny atiko any na aza mangatsika

na fotsiny aza hoe...

isika mba tafara-dalana eny rehetra eny
ka sendra mifandona ny tanana mipelika
d'efa zava-dehibe,f'izaho tsy sahy miteny
hoe tiako anie ianao r'ilay mampiherika eh!!!

fa na fotsiny aza hoe....

izaho mba tafaankina eo amin'ny nofo-tsandrinao
ka mody resi-tory rehefa anaty fiara
fikafika fotsiny iny fa ny marina dia izao
mba te hikasika aminao ity nofoko adala

na fotsiny aza hoe....

teny indraim-bava,maneho hafaliana
mivoaka avy ao amin'ireo molotrao roa
d'efa ampy ahy hamafa hakiviana
ka hitsiry fanantenana ny any anaty fo

fa raha tahiany mantsy ka...

milaza fitiavana ny vavanao misokatra ah!!!
na manaiky hanoroka ahy ireo molotrao ireo
dia tsy hampaninona ahy izay mety ho vokatra
fa ampy hahavelona ahy ny oroka sy feo.

ka na fotsiny aza akia....

tsy vokatry ny fo,no hanaovanao izany
fa mety ho alahelo na fotsiny fiantràna
mino aho fa hahamaina ny masoko tomany
sy hampamandina ny foko feno fahantràna.

izany moa eh,

jayah razafi 10/12/2016 03:09
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1138 3
Hevitra mandeha
RKjeanclaude ( 25/03/2017 07:30)
ohatran'ny marina a. Mahafinaritra e!
Mahay manoratra ianao ary mahafinarita ny asa-soratrao maro.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.196