ny tena fitia (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny tena fitia?! tsy voatery ho dona
na fifanolanana hiteraka voina
fa ny tena fitia, mahay mifanampy
raha tojo ny olana mila tsy ho tanty

ny tena fitia? tsy voatery ho ady
na hoe mpifamofo na efa mpivady
fa ny tena fitia, fiaraha-miaina
mifandray ao am-po,ary indrindra ny saina

ny tena fitia?! io tsy endrika ivelany
na izay teny mamy lazain' ny lelany
fa ny tena fitia, dia tineraky anaty
dia ilay fitia, fitia mandra-maty

ny tena fitia?! dia fifandeferana
raha tojo ny olana sendra miserana
ny tena fitia,dia fifamelana
raha toa ny iray nahavita hadalàna


ny tena fitia?!tsy bika aman'endrika
fa raha izay izany dia mora ho rendrika
fa ny tena fitia ,ilay tsy ananan-droa
fa tokana monja, ilay avy ao am-po

jayah razafi 14/03/17
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1580 1
Mpakafy: RKjeanclaude
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142