Paradisan'ny fitia (Jayah Razafi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ny tena fanaperana
Tsy ho hitanao oviana,
Fa hajao ny eo an-toerana
Mba ho tia sy ho tiana

Raha ny tena tonga lafatra,
Mbola zava-tsarotra zahana,
Fa izay eo koloina fatratra
Mba ho manja sy malala

Raha ny tena hoe idealy
Dia mbola ho nofinofy,
Fa izay eo aloha ry tsamy
No aza dia atao fanosy

Raha hiandry fahagagana
Ny hahazo tena raitra
Mitandrema ry akama
Ndrao ho sendra ny tsy laitra

Fa raha toa ka te hiaina
Ny paradisan'ny fitia,
Dia amboarina ny saina
Tsy hitady ny hafa arĂ½

Fa ny fahaizanao mikolo
Ny fitia kely tazana,
No hery hahavelom-bolo
Ny paradisan'ny fitiavana

Jayah razafi 23/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1575 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099