Hery hafa no mamely (Jean Baptiste Tarzan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa eo ny fahombiazana
dia izaho no tena mazana
rehefa tonga ny tsy mety
hery hafa no mamely

soa fa nisy fiarahamonina
ny hadisoako tsy hadisoana
soa fa nisy ny finoana
ny safidy tsy safidiko

Fiaramoniko no meloka
ka ny tody tsy ekeko
fa ny androko no ratsy
dia ny kitako no hafa

Fa ny vintana tsiniko
ny safidiko voatery
fa tsy fantatro ny ho aviko
zanahary no manendry

Hadalako raha hitroatra
ny hizotra no hataoko
hery mafy no mamely
ny safidiko voatery

Mpanoratra : Jean Baptiste Tarzan
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina
1772 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jean Baptiste Tarzan
Nampiditra : Jokera
Daty : 11/02/2006 15:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138