Ny vola (Jean Baptiste Tarzan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fa ny mariko dia diso
ka ny mariny no rariny
bararatako mibiloka
fa ny hazony mahitsy

ny fahantrana angamba ho aho
manaboridana fanahy eh!
ka ny hasina izay very
nosoloiny vola irery

diso ve ny tenako milaza
fa isika ankehitriny
manao ny vola ho rangahy
ka ny olona fanahy
miha-razana tsy nahy

diso ve ny tenako milaza
fa ny lainga tsara lahatra
no modely fankan-tahaka
novidiany mpanarivo
ka nanjary atao filamatra

enga anie izaho ho diso
mpanendrikendrik'olo-maro
aleoko izaho ho olo-meloka
dia ho avotra ny marina
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
2206 1
Mpakafy: fiaritiana
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 16/02/2006 07:46)
tsara izany tononkalonao izany an! mahereza e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jean Baptiste Tarzan
Nampiditra : Jokera
Daty : 12/02/2006 17:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018