Nosoratana tao anatin'ny fangorakorahana (Jean-Joseph Rabearivelo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOSORATANA TAO ANATIN'NY FANGORAKORAHANA

I

Eritreritra, nofy mangina,
Hovitrovitra saika tsy re,
Kopak'elatra, ho aiza? - Hiampita.
Any an'inona? - Tany tsy hita.
Nefa feno ny zavatra irina,
Feno azy ary be dia be ...
Kopak'elatra ho aiza? - Hiampita...
Hovitrovitra saika tsy re...

Hovitrovitra... Ny antony? - Asa!
Fa malemy ny nofo ka jamba!
Toa fanahy no sisa mameno,
Izy ihany no sisa mba heno
Mampangina ny otan'ny lasa!
Ny vovoka,hiverina angamba...
Toa fanahy no sisa mameno,
Fa malemy ny nofo, ka jamba!

Dia fangorakorahana sisa...
- O! mbola olombelona ihany!
Vao tanora, ka ho lasa sahady?
Zanak'ondry, ka halavon'ny tady?
- Eritreritro tonga madisa,
Nifamatotra tsy hita lany...
Vao tanora, ka ho lasa sahady?
- O! mbola olombelona ihany!


II

Injao mihodina mora dia mora
Ny eritreritro lasa mandeha.
O ry fahatanorako ho fohy,
Fa efa miditra ilay lava-johy
Tsy ivelaran'ny tsiky tanora,
Na idiran'izay rehareha!
O! ry fahatanorako ho fohy,
Ny eritreritro lasa mandeha!

Toa voron-kiantefa any an-koatra
Izany fiaingany anatiko izany
Efa feno dia feno fanahy,
Vonombonona, tsy mba manahy...
Tebiteby, kanefa tsy loatra,
Tebiteby aminao, o ry tany!
Efa feno dia feno fanahy
Izany fiaingany anatiko izany!

Tebiteby... Mangina!
Mangina! Mangina, o ry nofoko ho rava,
Mangina, o ry nofoko omaly!
Fitsaharana anie hampifaly;
Raha ho lasa, veloma, masìna,
Any an-koatra, ilay Fiainan-ko lava!
Mangina, o ry nofoko omaly!
Mangina, o ry nofoko ho rava!

J. J. Rabearivelo
(Ny Mpandinika, N° 128, 7 mey 1926)
--------
Rohy:
13127 4
Hevitra mandeha
Mariano ( 17/08/2006 10:04)
Misaotra betsaka an'i Pissoa nampiditra io tononkalo io fa tena mampatsihay ny lalam-piainantsika olombelona io
pissoa ( 14/12/2006 20:04)
Mariano : Izaia 38, hihihi.

(Vao misasaka ve ny fiainako
Dia ho faty sahady, hoy aho !
Ka ny androko sisa rehetra
Dia ho very sy hafoiko avokoa.)
kiala.andria ( 11/03/2019 13:40)
matsiro izy izany
antsa tononkalo.R ( 31/03/2019 13:30)
"NOSORATANA TAO ANATIN'NY FANGORAKORAHANA"
Anisany ankafiziko indrindra tamin'ireo tononkalony!
Vonjisoa-Andjanirina ( 31/01/2020 12:28)
TSARA BE
hery ( 01/02/2020 13:06)
Mampidira foana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101