Tsy Embona (Jean-Joseph Rabearivelo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy Embona
Valin-kira ho an'i Samuel Ratany

Tsy mba zavatra vao,
Fa tena fahita hatramin'ny ela
Ny tahaka izao:
Raha ritra ny rano, ny sisa tavela
Dia fotaka monja,
Dia fota-mandrevo nalamin'ny onja.

Ny hany fitana:
Ny onin'ny fiainana. Anefa ka foana.
Hany ka ana
Ilay fo manantena firavoravoana
Hatrany hatrany,
Ka heriny sisa, nisotro tomany.

Kanefa, hoy aho,
Tsy hoe ranomaso voalokon'ny kiry
Na ran'ny talaho
No tonga nameno impiry, impiry
Ilay fo nitadidy,
No tonga nameno kapoaka mangidy.

Fa hany nandoko,
Dia volon-davenona hilaza fa maty
Ilay afon'ny foko
Nitsilo ny lakana nita tanatin'
Ny fahatsiarovana
Efa lavo sy lanin'ny fotoam-pahalovana.

O! rivotra adala
No sendra nandalo nanao tora-javona!
Nony efa niala,
Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona...
Ka inona foana
No tonga nanairany fanadinoana?

Etsetra, etsetra...
Dia inty aho tody fitana hafa indray;
Ary tsy mba hitsetra
Raha sendra miverina ilay fiainana iray
Izay lasan'ny taona
Nitoeran'ny foko efa nanala saona.

Nikoro! Nifono
Lavenona manja ny andro fahiny.
Mivolon-dronono
Ny kaopy nasoloko iny kaopiko iny.
Ry fahatsiarovana,
Hianao efa lanin'ny fotoam-pahalovana!

Tena zavatra vao
Sy mbola tsy hita hatramin'ny ela
Ny torak'izao:
Ny rano efa ritra - tsy nisy tavela,
Na fotaka monja!
Nankaiza? Nankaiza? - Navalan'ny onja!

J.J. Rabearivelo
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
19353 5
Hevitra mandeha
hasiniony ( 10/06/2006 11:26)
Tononkalo tsy natao ho an'ny valala be mandry, fa kosa: "FARIBOLANA AHITANA RAFITRA FARIBOLANA" . . . Poety feno hatsaran-tarehy ka mahatorotoro ny fon'ny mpitolona vaovao, izay tsy iza fa izaho sy ianao dia ny Poety! . . .
pissoa ( 17/08/2006 07:52)
http://serasera.org/vetso/index.php?rub=vetso/vetso&vid=v4462e6e365482 ilay [i]Embona[/i] nosoratan'i Samuel Ratany.
Dadarabe ( 10/12/2012 00:08)
Kanto tena kanto e !
dadarabe ( 10/11/2014 18:35)
Averiko indray ! KANTO TENA KANTO !
MIROHY ( 27/01/2023 18:05)
Mba mila fanazavana kely tompoko amin'ilay tononkalo nifanoloran'izy roa lahy. Misaotra indrindra Tompoko!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104