ATO NO MANDRY (Jean NARIVONY)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ato no mandry ilay sombin'ny aina,
Raozy nihintsana mbola maraina,
Zaza tsy maoty sy mbola minono,
Hany lalaon'ny reniny hono,
Sady tsy foin'ny dadany indrindra,
Nefa nombotana sady nafindra :
Kintana kely namiratra ray,
Kanjo nilentika mandrakizay.

Ato no mandry ilay zaza tanora,
Henjana nefa nidahoka mora!
Endrika ve ka hambarako intsony?
Kanto tahaka ny lisy mamony;
Bika manaitra ny fo mba ho tia,
Meva tahaka ny foto-drofia;
Kanjo nanjary firesaka izany,
Tonga lavenona ity iafarany!

Ato no mandry ilay Andry nijoro,
Vato nandiavana fa torotoro;
Ato ny rain'ireo zaza kamboty,
Mbola tsy masaka nef avoaoty;
Reny malala natao hihantana,
Kanjo nandiso ny fanantenana;
Volana feno natao tsy hisoka,
Nefa nisitrika mba hanodoka!

Ato no mandry ilay hany malala,
Kotsan'ny orana, vontom-panala;
Simba ny endrika soany fahiny,
Rava ilay bikany tsy misy tsiny.
O! ry fitiavana vao mba nivelatra,
Kanjo nandalo tahaka ny tselatra,
Aok hisaona, hamoa-dranomaso
F'efa ninianana nanaovana ankaso.

Eny, ry fasana fatra-pifofo,
Azonareo anjakana ny nofo;
Aza hiantrana fa potipoteho,
Tsy mahavaly fa resinareo.
Aoka ny taolany valo hisaraka,
Dia hiomehezo ny vovony raraka,
Fa ny fanahiy tsy azo hidiana,
Lasa nijinja fifalifaliana!



Jean NARIVONY
Amboara voafantina, tak.99-100
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1410 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jean NARIVONY
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 10/05/2021 11:43
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157