You are here: home > Vetso

Iny Ankaratra Iny - Jean NARIVONY

Azo vakiana?

Iny Ankaratra iny mantsy
Raha tazanina maraina.
Toa manaitra sy mihantsy
'Zany vetsovetson-tsaina.
Eny mampamelovelo
Ka mamoha alahelo.

Iny Ankaratra iny lahy
Raha atrehina antoandro,
Mahavonto ny fanahy
Sady mampihandrohandro.
Hanin-kavana tsy hita
No tsaroana te-hiampita.

Iny Ankaratra iny roy
Raha tsinjovina hariva,
Ranomaso te hi-joy
No manomotra, madiva,
Fa iarahana mijery
Ka manohina ny fery.

Iny Ankaratra iny manko
Raha malo-tsy misava,
Ka midona sy manako
Na mijojo eri-dava,
Misy zavatra tsaroana
Mahafenofeno foana.

O! ry ilay Ankaratra iny
'Zay fihaoana am-panahy,
Ny iriko sy iriny
dia ny samy hahatsiahy.
Raha izany matokia
Fa mitohy ny fitia!

Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha