Misy ady - Jean NARIVONY
Misy ady tsy mba mora,
Ry tanora,
Izay mpisovoka mangina,
Ka mahina,
Fahavalo makadiry,
No mikiry,
Mba handavo sy hamely,
Fa tsy kely.
Ts'isy bingona maneno,
Izay mba heno,
Ts'isy basy sy tafondro,
Mifanondro,
Tsy mba misy izay akora,
Ry tanora,
Fa ny fahavalo mantsy,
Tsy mihantsy.
Nefa re ny sovok'ady,
Dia mandady,
Ka ny manda no ravany,
Avy hatrany,
Dia mitsatoka izy hono,
Ka mamono,
Ka mambabo sy mandrohy,
Izay mikoy.
Maro be no efa resy,
Mifanesy,
Ka voatana sy migadra,
Vao midradra,
Voan'ny ady tsy nahina,
Fa sondriana,
Kanjo izao mitomany,
Fa efa trany.
Aiza anefa moa ny tany,
Misy izany?
Iza koa ity fahavalo,
Mampimalo?
O! Tsy iza ireo tsy akory,
Fa fotory,
Ao anatintsika ihany,
No hitrangany.
Ao no misy ady mafy,
Ka ny rafy,
Izay tsy maintsy horesena,
Dia ny tena,
Sitra-po mba te hijoro,
No hakoro:
Io no ady tsy mba mora,
Ry tanora!
Jean Narivony
Hevitra mandeha
rfanomezantoky (24/09/2019 14:24:24)
Hafatra tsara sady naseho amin'ny endrika miavaka. Lafatr!!!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Jean NARIVONY

Nampiditra : hery
Daty : 15/06/2019
Mpamangy : 1045
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Ny tanantsikaVonim-boahirana
Iny Ankaratra Iny
TEBITEBY
Ny Tenindrazako
VONINKAZO
Naloan'ny fasana
RAJAKOM-BAZAHA
Ny tia sy ny manina