ITY HIRAKO… (JJF (Jean.Jacques.Fredi))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITY HIRAKO…

Ity hirako miranty ka misosa moramora
Ity hirako milanto, lokoloko iray matsora
Ity hirako marevaka, vonindraozy vao notazako
Hiraketako mangina ny soanao ry tanindrazako

Ity hirako misioka feo mangan-drotsirotsy
Ity hirako baliako tsy sandaina volafotsy
Raha tojo anao ny sento na mamangy ny toloko
Ity hirako ry tiako : fara-lanitry ny foko

Ity hirako lazaiko fa kisakisaky ny tanako
Ho raketiko tsy miato mba ho fanilon’ny taranako
Hiventesako ny hoby sy ny dera an-danitra any
Ity hirako no laza, reharehako eto an-tany

Fa ny tena ilazàko mihoatra lavitra ireny
Dia ho anao r’ilay sakaiza izay mangina tsy miteny
Ranomaso sy alahelo : ireo no mba sakafonao
Eny, iky, ry sakaiza, inty ny hirako hiantsao.

JJF (Jean.Jacques.Fredi)
07 novambra 2012
--------
Rohy:
468 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JJF (Jean.Jacques.Fredi)
Nampiditra : prismlinecontact
Daty : 30/08/2019 11:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116