Nofy - Joé Rasamuel
Azo vakiana?
NOFY
Eh! 'zany afaliako
ra toa ka naheno,
hoe!ho tateraka ny faniriako
ka ho hasambarana feno,
toa tsy andriko erÿ
'zan ho anilanao,
ka ho mamy sy ho fÿ
ny fiainako sy ny anao
efa tazako mihiratra
ny lanitry ny fianana,
ho manga sy hamiratra
fa tsy ho adim-piainana,
endre! zan afaliako
fa tojo ny tiako,
ho fiainam-pahasambarana
ka maty vao hifarana
Indrisy!
hay nofy fa tsy hisy
taitra mantsy aho
hay enao tsy ho ahy
najary alahelo
sy ranomaso lava
zay no nentin'ilay nofy
nofy mety rava
mino anefa aho
fa ho avy ny anjara
ka ho tojo ny tia ahy
fa tsy toy ilay mpandrava
Mombamomba
Mpanoratra : Joé Rasamuel
Nampiditra : MousnDaty : 29/01/2013
Mpamangy : 950
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TinapakaTetezamita
Zara raha mba nifaly
Iza no tianao?