Fitiavana ve ? (Joh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoy ny maro :zavatra iray mampiferin'aina
Mampikorontana be izany saina
Tsy ahavitana ny tiana atao
Fa mampivezivezy isan'andro izao

Ny fitiavana anefa tsy izany hoy aho
Fa zavatra tsara sy tsy mankalao
Na andro na alina raha misy fitiavana
Dia fifaliana no mitohy mandavana

Ny fitiavana mantsy hono mahasaro-piaro
Ka araky ny hevitry ny olona maro
Misento lava raha tsy eo ny olon-tiana
Ka manirery sy zary mangiana

Ny ahy kosa indray de tsy mba tahak'izany
Na lavitra aza izy de mamiko hatrany
Tsy mba miheritreritra zavatra hafa
Satria ny fitiavanay miara - mitafa

Ny ntaolo aza moa de niteny hoe
Lavitry ny fo raha lavitra be
Raha tafasaraka de mampanahy
Satria sao lavon'ny fakam-panahy

Nefa ny fitiavana tsy zavatra kely
Ka ho zary hadino raha manirery
Fa ny fitiavana ao am-ponao ao
No mampahery amin'ny zavatra atao

Ny fitiavana hono de mankahia
Jereo ny tanora raha vao mitia
Tsy mahinan-kanina fa mitebiteby
Matahotra foana fa sao hoe bedy

Fa ny fitiavana tsy mba izany
Na ahoana na ahona de matavy hatrany
Satria ny fitiavana hery iray lehibe
Fanoitra amin'ny fiainana sy izay aleha

Fa ny maro amintsika tsy mahay mitia
Fa varian-drendrarendra ka sampona dia
Dia milaza fa hoe ny fitiavana ratsy
Ka tsy tsara hiainana fa mahafaty

Ny fitiavana aloha an ! de tsy mba tia tena
Ka mihevitra hatrany ny hanome fa tsy omena
Manolotra hatrany ny tsara rehetra
Izay anananao fa tsy asiana fepetra

Mandre an'izany ny sasany mantsy
De milaza tsy tiana ka tsy hahatanty
Raha mitaky porofo tsy am-piheverena
Fa efa tiana sy hoe tompo-toerana

Tsarovy fa ianao no tsy tia satria nitaky sahady
Ilay zava-boatokana ho an'ny mpivady
Fa ny fitiavana tena fitiavana lazaiko anao !
De mifanaja sy mifanolokolo amin'izay atao

Be ny tanora no tsy mahay mitia
Ka raha vao mandeha de he mikodia
Diso fiantefa ka de mahamay
Satria mitetateta amin-javatra tsy hay

Ny fitiavana ! zava - dehibe io ; tsy kilalao
Misaina foana fa tsy enti-po amin'izay atao
Raha mifankatia ka tena marina tsy misy lainga
De ho tafita satria mpihazakazaka tsara fiainga

Tokana ihany ny tena fitiavana ho tarafinao
Dia ilay Andriamanitra tsy mba manary sy tsy mandao
Raha Izy no antsoina hanoro lalana hitantana dia
De ho lasa lavitra sady ho tafita ny mpifankatia

Koa mahareza ary na ny manambady na ny toka-tena
Fa ny fitiavana de sitra-po fa tsy mba no terena
Ka aza hitsahina re ny voady izay efa natao
F'izay no tanjaky ny fifankatiavana tadiavinao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
17678 3
Hevitra mandeha
lianah ( 01/09/2005 10:29)
Tsara ilay tononkalonao ka,tohizo.Tena mba nahafinaritra ahy ny namaky azy.Mahereza e!
tia2005 ( 01/09/2005 11:26)
joh â!tsara fona ny zavatra soratanao ê! anaovy tonokalo aho ê!
vonimboasary ( 08/09/2005 14:20)
Misaotra betsaka e!
mahay manoratra ianao ka!
mampirisika anao foana e!mazotoa hatrany fa mahafinaritra ilay tononkalonao e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 30/08/2005 12:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139