VENTSON'I NENY (Joh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny sombinaiko lehibe izao ianareo
Ka de mihedinedina, mirijarija koa
Tsy taitra koa ny vava misokatra ny feo
Veloma ianao ry neny ary elatra tokoa

De manomana sahady izato raharaha
Handao an'I neny nahoana loatra lahy !
Moa tsy ampy anareo ny tambitamby izay nomeko
Ary lany tsiro ve ny falefaky ny feoko !

Isanandro aho tsy matory mieritreritra anareo
Raha misy hevitra mahatsara vitaiko toa tsy teo
Raha vao marary kely na misy ny tsy fahampiana
Misavoritaka ny saina tsy tafandry am-pandriana

Izao anefa lehibe ianareo ; teny tokana de ampy
Ny reny malahelo tsy mahafoy sy tsy mahatanty
Zatra ny adiady ; ny fitiavana nitranga
Iza indray no antsoina hameno izany banga ?

Nefa tsisy faniriako afa - tsy izao ihany
Ho sambatra ianareo ; ho tretrika eto an-tany
Ka raha izao ny lalana hahasoa sy hahatsara
De manaiky I neny an ; manaiky ny anjara

Ny teny iray atolotro mivoaka avy ao am-po
Ho tsara anie 'nareo, ho sambatra, ho soa
I neny tsy ho aiza fa eto an-trano ihany
Miandry anareo mamangy avy any

Raha misy manahirana aza mitoloko
Tsarovy ity teny vokatry ny foko
Andriamanitra antsoina fa Izy no nitaiza
Sy nanolokolo antsika manaiky ho sakaiza

Foana hatreo ny bedibedy renareo tato an-trano
Fa ianareo indray izao no hitondra tokantrano
Koa mirary anareo mba ho tody sy ho tafita
Fa I neny tena tia tsy hanadino ; ny adidiny no vita
Fa ny fitia anatiny ao miboiboika hatranihatrany
Ka mitoetra mandra- maty fa tsy ritra sy tsy lany
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
2303 2
Hevitra mandeha
Maneva ( 12/05/2006 12:08)
Misaotra betsaka ry Lepetitbeau a ! tena mahafinaritra ilay tononkalo nampidirinao.Ahatsiarovako ilay hiran'ny mahaleo hoe Ry zanako vavy.
Mankasitraka e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 23/08/2005 14:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101