Fody very anaka (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Ny alahelo toy ny rahona, ka raha mavesatra mianjera"

Nitaiza madinika, hono, Rafody,
Kanefa, rankizy !
Indray tolakandro, rehefa nipody
Dia fanina izy !
Nahoana ? _ Indrisy fa very ny zaza,
Nalain'ny mpihaza !...
Nikaroka mafy : nitety ny saha…
Ho hitany angaha ?
Odrey ! Mahonena ! Nisento ! Nangaina !
Fa ireo sombin'aina
Tsy hita halaina !
Nandevy ny kibo, nangotika loatra,
Fa ity fahoriana dia toa tafahoatra !
Indrisy, Rafody !
Oh ! Aza manody !
Fa ilay foto-kazo nanaovana akany
No hany nanatrika anao mitomany !
_ "Mavesatra, ho'aho, ny fo feno rano,
Fa samy nafoiko na zaza na trano !
Veloma, e, ry aina !"
Ka dia nanjoretra Rafody, nisaona :
Toa vero voatomboka tra-dohataona :
Nalazo dia maina !
Dia tapitra ho azy ny andro voafetra,
Ka tsy ela dia fefika ilay nanjoretra !

"Tantely ny zanaka, hoy ny fiteny,
Ka tiavo, rankizy, ny ray aman-dreny !
--------
Rohy:
820 1
Mpakafy: Jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014