Ilaimena sy Ilaivoamba (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Ny mahery tsy maody tsy mba ela velona"

Naneno maraina Ilaimena fa noana.
Nanao "kolokolo !" nilaza fotoana !
Nifoha Rampiasa, nilanja fangady,
Fa : "hay, hono, ny andro maraina sahady?"

Fa nony nangirana tao ny masoandro,
Ka niainga hantsaka ny boto mpahandro,
Dia lasa vinohany koa ny fisoko.
Nivoaka Ilaimena, nanao "kokoloko !"

Notairin-dRamosa Ilaimena, ka lasa
Hameno kitapo, fandrao diso rasa !
Namonjy ny tanim-bomanga maraina,
Hisokitra kely hatao tohan' aina !

Navesatra angaha, ka lasa nitsaika.
Toa kaody sy haolo, fa maika dia maika !
Dia indro, nirimotra toy ny tadio !
Ny zavatra hitany, hoe, vinanio !

Aroa lavidavitra aroa no tsaroany,
Fa misy toerana iray fahazoany.
Ny tapa-bomanga dia saiky haloany,
Fa izay hanin-kotrana, hono, hahoany ?

'Laimena, rankizy, dia mpiady tranainy.
Tsy hafa ny zavatra 'zay nantenainy,
Fa akotry naterin-dRafotsy hahahy.
Izay no nampiezaka ilay akoholahy !

Ny toerana, takona sady mangina.
Izay tora-bato tsy nisy hahina.
Ka revo 'Laimena namatratra mafy :
Tsy niala voamena, ka dia tsy nihafy !


Rehefa nikatroka ela, ka voky,
Dia lasa nitsaika fa efa natoky :
Nandevon-tsakafo tanatin' ny vero !
Kanefa ity loza hihatra, hevero !

Injay nikasaoka ireo ahi-maina.
__ Tso-drivotra izany ! hoy 'lay kely saina ;
Ka rivotra ve no hanaitra zalahy ?
Ny taitran' izany : tanora fanahy !

Kanefa tsy ela dia taitra Ilaimena,
Fa hay moa ! biby mikendry ny tena !
Voambina mafy tsy nisy hialana !
Voabanjina mafy ka vaka sy ana !

Dia zao no mba tetika takany kely :
__ Raha ohatra izao izy vonon-kamely :
Tehafiko mafy ho jenjina aloha,
Vao riatako fantsy, dia tsy afa-mifoha !

Niatrana izy, fa feno dia feno.
Ka te-hampitahotra angaha, dia naneno !
Rakary nihemotra, toa te-hiala,
Ka dia falifaly tery 'lay adala !

Dia niova famely Rakary, fa fetsy :
__ E ! aza matahotra foana, ry leitsy !
Izaho vahiny mitady mpitia,
Ka raha te-hihavana ise, dia avia !

Nibitaka ilay akoholahy tsy hendry,
Fa tonga sakaiza ilay rafy nikendry !
Ka dia niedinedina, be rehareha,
Fa tsy mba nitady izay lalan-kaleha !

Nodinidinihin-dRakary 'Laimena,
Ka hoy ny fisainany : " 'tony ny hena !
Fa saingy matoky sy manam-piadiana ;
Ka aoka angalohany hanontaniana !"

__ Toa tandroka an-tongotr' izany, Raondriana ?
__ Tsy tandroka, leitsy, fa fantsy fiadiana !
__ Ka moa mahafaty raha sendra mamely ?
__ Hatrano ny loha handramana kely !

__Matoky aho hanana anao ho sakaiza :
Ianao no ho solon 'ikaky nitaiza !
__ Adry ! matokia 'zany havako izany :
Ireo teninao tsy ho raraka an-tany !

__ Ny vavan-dRazoky toa vy tsolotsolo ?
__ Ny maso voapotsitr' ity telopolo !
Fa lefo-maranitra ity raha miady,
Dia longy fisokitra nony mitady.
Mihinana : sotro ! mihehy : fangady !
__ Kanefa, Ranaotra, lazao aza fady :
Toa afo mirehitra, ho' aho, zarony ?
__ Tanala vao miakatra angaha iletony ?
Ireny no haingo sy ravaka ambony !

Dia niandra Rakary, fa ravo ny fony ;
Kanefa nofotopotorany tsara :
__ Tsy izay tena marina moa no hambara!
__ Odrey ! tena marina raha mba kinanga :
Tsy afo mandoro, fa haingo ny sanga !
__ Andrao dia tsy marina izany, Ramena ?
Manatonatona ary hoe hojerena !

Jereo ! faly volony Ibemosalahy ;
Natoky saroro, ka dia sahisahy :
Nanondrika mora Ilaimenanareo ;
Kanefa voaketoka, ka nitoreo !

__ Koràka ! koràka ! koràka ! koràka !
Indrisy aho, maty sy afa-baraka !
Finitak' ity karilahy mavàny !
Indrisy ! tsy leo enti-tody anie izany !

Rakary nilefa nitondra ny haza,
Fa voany ? Laimena nanao ho kalaza !
Dia 'zao no kabariny nony efa tonga :
__ Mivorivoria, ry maro kilonga !
Araho ny saina sy hevitra omena !
Tsy misy malaza ho be fahendrena
Hihoatra an' ity ; nefa izao no ambara :
Rehefa mihaza ianareo any afara :
Ny haingony ihany samborina tsara !
Ketohy ny lohany dia hitsirara !

Ny zana-dRakary dia indray nanakora,
Ka injao nifanerona sy nifandrora !
Fa izao no mba teniko tsimoramora !
Tandremo ny haingo ry maro tanora !

___

Ramosa : mosary, hanohanana. __ Diso rasa : tsy nahatratra ny fotoana fizarana sakafo, na henan' omby tantanina. __Longy : karazan-defona, tapaka ny lohany, ka azo atao solon' angadikely ; antsetra no filazan' ny Merina azy. Na dia tsy ianteheran' ny mpiantafika aza izy io, dia mba misy "longy manambaka ny lefona". Any Atsinanana, dia ny katsomanta (tehina lavabe, marani-doha, atao solon-defona), no ataony hoe longy. Io kosa dia ataon' ny sasany hoe "traigna" (Antemoro), na kitray (Bara). __ Ramena : Mena volo ilay akoholahy. Io teny io koa dia fampiasan' ny Vakinankaratra, iantsoany ny ankizilahy madinika. __ Araho ange ny fiantson' ilay kary an' ity sakaiza tsara bika ! Lanja midina hatrany : Raondriana, Razoky, Ranaotra, Ramena ! __ Saroro : fitaka ; teny mandrendrika, atao mba hahazoana mamerivery ny an-daniny, hisiam-potoana hanamasahana ny tetika hamelezana.
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fananarana
1320 2
Mpakafy: Aro-Zo - jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0302