Ilay sahona sy ny bibilava ary ny takatra (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Ny tody tsy misy, fa ny atao no miverina"

Rasahona, 'lay mpikabary mahay :
Sondriana nitelina kankana iray.
'Lay izy variana iny indrindra, dia injay !
Tsaroany fa misy mitsaika any ho any.
Ka inona, re ? _ Bibilava masiaka !...
Nambosika ilay bory tongotra ratsy,
Ka dia velom-bolo, fa ngeza ny vatsy !

Nifona Rasahona ; nefa, indrisy !
Izay findrafom-bibilava tsy nisy !

Nitsipaka ihany, nirehoka mafy
Ho ren'ireo fianakaviana aman-jafy,

Fa saingy tsy ela dia maty mangina,
Ka ilay renivitsika foana no zina !

Kanefa, haingàna, tazàno, zareo,
Fa indro Ratakatra tamy nankeo !

Nasiany 'lay biby nanao feno vava,
Ka dia nitsipelika ilay rambo lava !
Nihoby Ratakatra : "Dray ! Takitaky !"
Nanoaka Rabiby, dia : "Maty aho, Kaky !"

Rankizy ! Havela hatreo ny tantara.
Ataovy mahampy ny kely nambara.
Fa izao no mba lesona tsotra, ento mody :
"Ny atao no miverina !" ; "misy ny tody !"

Voambolana :

Nihoriaka : mangovitra sady mikiaka noho ny tahotra.
--------
Rohy:
727 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101