Ilay sokina (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Niala tao Ankatso ka eo Ambohidempona"

Teo amoron-drano, 'ndray mandeha,
Nisy sokina nirehareha.
'Zay valala sendra mba nandalo
Lany ripak'itsy fahavalo.
Kanjo tampoka, injany feo !
Taitra Isokina ka lasa teo.
'Njay ny feo !... akaiky !... feon'aliaka…
Aiza no nilefa ihavantsika ?
Indro, lavaka mitanatana !
Niditra izy, sempotra sy ana !
Nefa loza ? _ "Dadako, mangidy !"
Njany tandramokotra mihidy !
Ketoka ny loha manontolo,
Ka nitsanga-menatra ny volo !
Loza nilefana ; loza hita !...
Vetivety foana : maty ! Vita !
Drakaka madonda efa liana
No nitsentsitra amim-pifaliana !

To' izany, mantsy, ny eto an-tany :
'Zay manimba mbola hitomany !

Voambolana:

Drakaka: karazam-poza vaventy, somary volomparasy manjamanja, monina eny amoron'ony, akaikin'ny vinany, fa tsy dia hatrany an-dohany tsy akory. Tsy fihinan'ny Antemoro izy io, nefa toa akafizin'ny Antesaka.
--------
Rohy:
410 1
Mpakafy: Jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014